Ifonako

Bodo

Ifonako


Ifonako fa sandoka, ny avona tam-po
Fa be no tsy voalazako, noho ny hamboko
Fa ny saiko no tezitra sy manjaka fa tsy ny fo
Ny dongidongiko aminao, ifonako ihany koa
Ny toetrako efa mankalao, mivalo aho tsy hanin-droa
Soa ianao fa dia, be fitia
Ka tsy tonga dia to fo


Mamelà ahy mamindrà fo
Hiezaka aho ho tony aloha
Fa banga anao ny fiainako
Raha lavinao, mamelà ahy
Mitsikia aloha


Ny kitakita tampoka ifonako ihany koa
Ny teny tsy voalanjako
Nanohina ny fo
Ny fakam-panahy hilaza
Fa ianao tsy tia ahy


Ka mamelà ahy….


Fa toky no omeko anao, sy ho tanterahiko
Fitia tsy vasobasoka no indro atolotro


Auteur: Aro
Compositeur:Aro


·