Iarinala

5x5

Iarinala


Ny asabotsy alina aho nandeha nandeha
Ny ampitso maraina aho hamonjy andry
Nitady anao ny tontolon’ny andro
Tsy nahita anao mandra-podin’ny masoandro
Manina anao ka tsy maintsy makany
Na lavitra aza ny elanelan-tany
Ny torimaso dia tsy hita amin’izany
Nohon’ny fitiavana anao ihany


Iarinala ô
Hiarina aho lala ô
Iarinala ô
Marina aho fa rendrika


Nipetrak’aho fa rerakin’ny dia
Sasatra mitady anao tety
Efa nangina ny zavaboary
Ny faniriako dia tsisy manjary
Manjombona ny andro sady merika
Lasa vinany aho nieritreritra
Ho tapak’hevitra aho fa hitodi-doha
Hody aho fa tezitra mivonto fo


Iarinala ô
Hiarina aho lala ô
Iarinala ô
Marina aho fa rendrika


Njay nisy feo tao aorinako tao
Nitodika aho ka io ianao
Faly aho no sady sahirana
Nijaly aho vao mba mirana
Ela ny ela ka nifankahita
Saingy fohy ny fotoana niresahantsika
Mandroso ho alina ny andro ety
Hody aho sao tara fiaran-dalamby


Iarinala ô
Hiarina aho lala ô
Iarinala ô
Faly aho fa nahita anao


Iarinala ô
Hiarina aho lala ô
Iarinala ô
Izay ihany no tsy haritro


·