IANTRAO NY NOSINAY

Anjomaran'ny Fitiavana

IANTRAO NY NOSINAY


Solo lehilahy:
Ry Tompo ô! Iantrao re ty nosy
Ô! Mitalaho mitady Anao tokoa zahay


Duo lahy sy vavy:
Nanota taminao ry Tsitoha
Miaiky heloka ihany koa
Mba raiso re, ho vahoaka mpanoa
Ho sambatra hanan-tahotra Anao
Ho taranaka voafidinao hambininao


Fiv:
Koa raiso re, ity firenenay
Diovy anie ho Anao mandrakizay
Tolory saina, mba hifanasoa
Ho sambatra , hiadana finaritra


Jehovah ô! Omeo hery hijoro
Tsy ho fefika an-dalàna tsy ho rendrika
Mitady Anao fatratra tokoa
Miantsampy Aminao ry Jeso
Mila ho sasatra an-dàlana koa
Omeo hery hibanjina Anao
Ho firenena ho eo ambany fahasoavanao


Fiv ..


A/C RAZAFINDRAZAKA Handrisoa
By Miora


·