IANTRAO

Chorale Fanantenana Ifanadiana (CFI)

IANTRAO


Iantrao re, iantrao ry Ray ‘ty ‘lay nania
Voafikata e, voafitaka e ka nikodia
Nijafajafa, niraparapa fa voaratra
Mitalaho re, mitalaho fa voalatsa


Sitrano re, sitrano re fa he dridraina
Fa ao aminao, ao aminao no misy ny aina
Ianao Ray ô, Ianao irery no antenaiko
Ny Teninao, ny Teninao no aoka hibaiko


Raiko ô, aza ariana aho fa todiho re
Malemy ka miangavy re mba ampio
Sitrano aho, sitrano aho dia ho anao
Ka hiditra sy hitoetra an-dapanao


Neniko e, neniko e ‘zay vita izay
Ka mitalaho, ka mitalaho aminao Ray
Ianao anie, Ianao anie no fahazavana
Andresena e, andresena ny satana


·