Iantrao

Fafah (Mahaleo)

Iantrao


Iantrao, fa aza rikoriko
Sanatria tsy fanahy niniako
No nahatonga ahy ho toy izao
Iantrao, fa ny hazo fijaliako
Mavesatra fa nikipiako
Raiso tanana aho raha azo atao


Mahantra aho tsy mitafy mandry fotsy
Ory fitia sy rotsirotsy
Ka mba manantena anao
Mahantra aho ny fiainako mikororosy
Manitsaka ahy izay te-hanosy
Asa raha toy ireny koa ianao.


Iantrao, ny hambom-poko efa nariako
Izay mba mety ho faniriako
Nahiliko tsy ho hitanao
Iantrao, ny hajanao ho kajiako
Ny ho namanao no mba tiako
Mba ampio raha sitrakao


Mahantra aho nefa aza hindrahindraina
Fa manjary ady ilaina
Ireo tsipin-teny atorakao
Mahantra aho nefa mendrika hohajaina
Fa efa manao vy very ny aina
Miasa fa tsy milalao


Mahantra aho mareforefo osaosa
Fa fahoriana mihavosa
No babeko an-damosiko ao
Mahantra aho fa ny anao kosa
Tsy misy izay tsy tontosa
Ireo nofinofinao


·