IANTRAO

Vlm Ampitatafika

IANTRAO


Njao reko lavitra any
Kikiaka maro tomany
Misentosento mafy ery
mapahonena mijaly
Toa helo no itoerany
manjombon-dava ny androny
tsy misy fiadanam-po
voafatotra voageja koa


REF : Jesosy o mba iantrao re
reo olonao marobe
andevozin’ny toaka
ka potika ny fiainany
Jesosy o mba iantrao re
reo olonao marobe
minia tsy mahalala
fefena tsy hay rarana
voafitaky satana


Miantso anao Jesosy anio
sakaiza tsara o mba fidio
zay lalana izoranao
ahavonjy ny fanahinao
Fa ho afaka tokoa ianao
Raha Izy no ao amponao
Hisandratra ny andronao
hamiratra ny fiainanao


·