Ianareo no fanasin'ny tany

AMAF - Antoko Mpihira Andravoahangy Fivavahana

Ianareo no fanasin’ny tany



  1. Ianareo no finidy hitondra faneva.
    Ianareo no filamatra soa tena meva.
    Ianareo no fanasin’ny tany, mpitory amin-mpeo sy ny hira.
    Raha toa hianareo no hatsatso.
    Dia inona indray no ho sira.
    Ianareo izao tokoa no tempoly.
    Fonenan’ny Ray ao ambony.
    Tsy hanatoerana ao ny devoly.
    Ka ny hajanao mba tazony.


Ianareo no modely,
Na ny toetra, na ny fomba fiaina.
Koa aza atao fatiantokareo.
Ny manao soa, aoka tsy ho very maina.
Ny hira sy teny lazaina.
‘Zay namafy eny an-tany tsara.
No manantena voa.


Ianareo no fanilo, mitondra hazavana.
Ianareo no hivelaran’ny hatanorana.
Ianareo no fanasin’ny tany.
Mpitory amin-mpeo sy ny hira.
Raha toa hianareo no hatsatso.
Dia inona indray no ho sira.
Ianareo no efa voafidy.
No fianarana ho an’ny mino.


Ny hafalianareo, zarao amin’ny olon-drehetra.
Fa fiainana mandrakizay.
No ho tambinareo ary.
Ny andro maha-ory anareo.
Handalo fa tsy hitoetra.
Hiara-paly any an-danitra.
Mandrakizay doria, doria.


·