Ianao tsy mba mandao

Tanora Masina Itaosy

Ianao tsy mba mandao


1- Na mandalo ady sarotra eo ianao,
Na misy tafihotra hianao tsy mba mandao
Fa dia mitantana,
Sy manoro lalana hodiavina.


Na mandalo fitsapana mahamay,
Fantatro ny hevitrao ny hahatsara Ahy
Na mafy aza indraindray
‘Reo fizahan-toetra apetrakao ry Ray.


ref: Matoky Anao Aho
Fa tsara Hianao
Ho mandrakizay ny fiderako Anao
Ka na inona misy eo anoloako
’lay fitiavako tsy hiala aminao
lanao ilay tsy mba mandao


2~Fantatro fa na dia hisy ny hanjo,
Hianao Jesosy no fihiniko
‘Zaho tsy hanana ahiahy
Efa eo hianao tsy misy hakasika Ahy


Na manenjika aza ireo fahavaloko
lreo mpialona manao izay hahavoa
lzaho eo an-tratranao
Miaro Ahy Hianao ’lay Andriamanitro.


ref: Matoky Anao Aho … …


Na manenjika aza izao tontolo izao
’lay fitiavako de tsy hiala Aminao


ref: Matoky Anao Aho … …


’lay fitiavako tsy hiala Aminao
lanao ilay tsy mba mandao


·