IANAO RY NOELY
APF TANGAINA
IANAO RY NOELY
Ianao ry Noely o! izay efa nandrasanay
Dia mba antenainay hitondra fiadanana
Fa ny Noelinay anie ho feno hasambarana
Satria efa tonga Jesoa tia
( Fa ny Noelinay anie )
Ho feno ho feno hasambarana
( Efa tonga ) efa tonga Jesosy Tompo Tia
( Mba hamonjy ) mba hamonjy ireo izay tia mibebaka
Heleloia derao Mpamonjy
Ianao ry Noely o! dia mba hantenainay
Hitondra fitsaharana ho an’ny firenenay
Ka hanjaka ao anie ny fifankatiavana
Hitondra fiainana, fiainam-baovao