IANAO RY NOELY

STK FJKM Ambatomena Antananarivo

IANAO RY NOELY


Iriko ianao ry Noely amin’ity indray mandeha ity
(Ianao ry Noely,ianao ry Noely, ilazako faniriana amin’ity indray mandeha ity)
Ho Noely hafa kely noho izay fahitako tety
(Ka izao no faniriko enga anie ianao ho hafa nohon’izay fahitako,fahitako tety)


Solo1:
Tsy hisy intsony ny mahantra
Kanefa maro ny be harena
Ny voin’ny hafa hatao fiantra
Ny hafa anie ho toy ny tena


Choeur1:
Tsy hisy intsony ny mahantra
Nefa maro ny manan-karena
Voin-kavan-fiantra
Ny hafa anie ho toy ny tena


Solo2:
Hitsahatra eo ny vono namana
Noho ny nodiny izao sy izao
Samy liana,liam-piadanana
Hanorina fianam-baovao


Choeur2:
O! Avela famonoana
Satria mavo na mainty na mena
Samy liana,samy liana
Fiadanam-piainam-baovao


Solo3:
Hifarana eo ny ranomaso
Nalatsak’ady etsy sy eroa
Hotapitr’eo koa ny andraso andraso
Hiaina,hiainan-tsambatra avokoa


Choeur3:
Hofafana ranomaso
Noho ny ady,ny ady etsy sy eroa
Tapitr’eo ny andraso
Hiaina,hiainan-tsambatra avokoa


·