Ianao no itokiako

Antsan'i Fenomanana

Ianao no itokiako


Ianao no itokiako


1-Isaorana Ianao ry Ray
Nanao ny lanitra sy ny tany
Ny zava-manan’aina
ary izao rehetra izao
Isaorana e! Isaorana a!a!
Isaorana e! Misaotra anao ry Ray


Ref: Fa Ianao no itokiako
Ho vatolampy sy heriko
Fa tsy hahasaraka ahy
Ny fahasoavanao,
Hiroso an-kasahina : “inty aho”
Misaotra e. Misaotraa !a
Misaotra e. Mankasitraka
Misaotra e. Misaotraa !a
Misaotra e. Mankatelina


2-Isaorana Ianao Jesoa
Fa nanolotra ny ainao e
Ho fanavotana ahy
Sy izao tontolo izao
Isaorana e! Isaorana a!a
Isaorana e! Misaotra Anao Jesoa


3-Isaorana ny fanahy
Nanangana ahy ho zanakao e
Maniraka ahy hitory
Hanohy ny asanao
Isaorana e! Isaorana a!a
Isaorana e! Misaotra ry Fanahy


Coda:
Misaotra e, misaotra a!a
Misaotra e! Ianao no itokiako
Misaotra e, misaotra a!a
Misaotra e! Ianao no itokiako


Tonony sy feony : RANDRIANARIJAONA Henri
12 Aprily 2020


·