IANAO NO ANTSOIKO

Antokom-pihira ANDON'NY LANITRA [FJKM Ziona Famonjena Imerintsiatosika]

IANAO NO ANTSOIKO


Ianao no antsoiko
Ianao no antsoiko
Ianao jehovah o
No vatolampiko
Aza manetsi-tady ry vatolampiko
Fa ndrao raha hangina, amiko ianao
Dia ho tahak`izany midina any an-davaka ny fiainako


Mihainoa ny feoko raha mitaraina aho
Raiko o ny tanako asandratro aminao
Ho amin`ny fitoeranao masina
Aza hatao indray mikipaka aho
Amin’ny ratsy fanahy, sy mpanao meloka aho
Fa ireny dia milaza
Fihavanana amin’ny namany
Kanjo ratsy ny ao am-pony
Kanjo ratsy ny ao am-pony


·