IANAO NO ANJELIKO

Zo Ryan

IANAO NO ANJELIKO


Vao mihiratra ny masoko io isanandro
Dia toa ianao ihany no tiany ho hita eo
Tsaroako toa banga ny tontoloko
Rehefa ianao no tsy eo anilako eo


N’aiza n’aiza misy ahy na inona fotoana
Ny saiko toa lasa any aminao any foana


REFRAIN:
Tia anao loatra aho mahatonga an’izany
Ka mila anao foana aho ho eo isan’andro
Ianao no tiako hitoetra anilako eo foana
Hoanjelin’ny tokan-trano


Ndraindray toa tsy misy mety ny ataoko rehetra
Tsy ahavitako n’inon’inona ny embona anao
Satria ilako anao ny fiainako manontolo
Ka feno sento aho raha lavitra anao


N’aiza n’aiza misy ahy na inona fotoana
Ny saiko toa lasa any aminao any foana


REFRAIN:
Tia anao loatra aho mahatonga an’izany
Ka mila anao foana aho ho eo isan’andro
Ianao no tiako hitoetra anilako eo foana
Hoanjelin’ny tokan-trano


Tonony sy feony: Zo RYAN
Niarahany nihira ta@ MELKY


·