Ianao no Andriamanitro

Joseph d'Af

Ianao no Andriamanitro


Masina, masina, 
Ny anaranao no masina
Be indrafo sy mahari-po
Ianao no Andriamanitro


Mendrika, mendrika,
Ny fitiavanao dia mendrika
‘Zaho ‘lay mpanota natsanganao
Ho zanaka malalanao


Izay no antony ilazako
Ianao ho ahy izaho ho Anao
Itambaran’ny fo roa
Itambatra ho iray


Ny anaranao no ho deraiko
Ny anaranao no hankalazaiko
Misandrata Jeso … misandrata Jeso
Tompo malala


Ka hirahira no hasandratro
‘Zay no ifandraisako amin’ny fo
Ho ren’ny tany aman-danitra
Ianao no Andriamanitra


Fitiavana … fitiavana
Andriamanitra dia fitiavana
Be indrafo sy mahari-po
Ianao no Andriamanitro


Izay no antony ilazako
Ianao ho ahy izaho ho Anao
Itambaran’ny fo roa
Itambatra ho iray


Ny anaranao no ho deraiko
Ny anaranao no hankalazaiko
Misandrata Jeso … misandrata Jeso
Tompo malala


Ka hirahira no hasandratro
‘Zay no ifandraisako amin’ny fo
Ho ren’ny tany aman-danitra
Ianao no Andriamanitra


Izaho no ampakarina
Ianao no mpampakatra
Mbola hatambatra ho iray
Rehefa any amin’ny mandrakizay


Izay no antony ilazako
Izaho anao, Ianao ho ahy
Satria feno ny tontoloko
Noho ny fitiavanao


Ka hirahira no hasandratro
‘Zay no ifandraisako amin’ny fo
Ho ren’ny tany aman-danitra
Ianao no Andriamanitra


·