Ianao Maria no kintana
Antokom-pihira Vetson'i Siona
Ianao Maria no kintana
I. Ianao Maria no kintana
Ambony ny làlana
Mitarika ny dia
Hankany amin’ny Ray
Ref: Ry reny be fitia, Tompoavinay
Anao ny nosinay Maria, Maria
Ny masonay zatra miandrandra aminao
Satria ny fonao Antra Maria, Maria
II. Hankany am-paradisa
Sarotra re ny dia
‘Zahay tsy ho kivy
Tantananao Maria
III. Ho toa anao zahay
Ry Reny ka tahio
Tantano ny fonay
Ho tsara sy hadio
IV. Ry Reninay Malala ô
Anao anie ‘zahay
Fonay be siasia
Mba tàno mandrakizay
© Vetson’i Siona