Ianao irery

Voahangy

Ianao irery


Lay takarivan-dohataona
Ny lalantsika tafahaona
Ianao irery no mahalala ireny


Ny tantantsika nifandray
Ny anarantsika tafaray
Ianao irery no mahalala izany


Ny tambitamby tsy ho lany
Ny dongidongy, teny mamy,
Ianao irery no niantefan’ireny.


Ny hasambarantsy ho ritra
Isan’andro niainantsika.
Ianao irery no anton’izy ireny.


Fa mbola tsisy hatram’izao
Fitia mamy noho ianao
Fitia tsiambaratelo ireny
Tsy ankiteny.


Fitia miaritra eny foana
Fitia tsy lefin’ny fotoana
Fitia tsy adino mandra-maty
F’ao anaty.



Ireo andro maro nihafiana
Niaretantsika am-pitoniana
Ianao irery no mahalala izany.


Ny alahelo sy ahiahy
Rehefa ianao no lavitra ahy.
Ianao irery no mahalala izany.


Fa mbola tsisy hatram’izao
Fitia mamy noho ianao
Fitia tsiambaratelo ireny
Tsy ankiteny.


Fitia miaritra eny foana
Fitia tsy lefin’ny fotoana
Fitia tsy adino mandra-maty
F’ao anaty.


·