Ianao ilay tsy manan-tsahala

Dadah Rabel

Ianao ilay tsy manan-tsahala


Ianao ilay tsy manan-tsahala
Ilay nisafidy hizara ny diako
Ianao ihany no mahalala
Ireo ahiahy sy ireo faniriako


Ianao teo anilako hatrany,
Nizara ireo tsiky, namafa tomany
Ianao nampijoro, nampitraka,
Nanampy ahy hibaby ny mafy tsy zaka


Ianao teo anilako hatrany,
Nizara ireo tsiky, namafa tomany
Ianao nampijoro, nampitraka
Nanampy ahy hibaby ny mafy tsy zaka


Ianao ilay tsy manan-tsahala
Ilay nisafidy hizara ny hoaviko
Ianao no hany tokako malala
Ilay mandra-maty hany ho tiaviko


Ianao eo anilako eo foana,
Tsy fanontaniana, tsy misy hoe nahoana
Ianao tsy mba be fisehosehoana,
Nefa tratr’antso rehefa antsoina !


·