IANAO

Fara Andriamamonjy

IANAO


IANAO


Ianao no tiako hitoetra ao anatiko
Ianao Tompo o no tiako hanapaka ny foko
Aza avela hisy re, hibahan-toerana ao
Foiko manontolo ho anao ny foiko
Anjakao


Refrain :
Tsy ny Fiadananao , ihany re, no ilaiko
Tsy fitahiana koa, tsy izany no andrandraiko
Fa Ianao mihitsy
Ray, zanaka, fanahy
Ianao manontolo Tompo o
Ianao no tiako ho ahy.


Faniriana sy hetaheta lalina ao am- po
Dia iray fijery, iray fitiavana izaho sy Ianao
Indro re ny foko anio, vohaiko hidiranao
Foiko manontolo ho anao izy io
Anjakao


Refrain.


·