IANAO

Feon'ny fiderana

IANAO


Maty ianao,nisolo voina anay
Tsy navelanao ho verin’ny fahotana izahay
Maty ianao ho fananganana anay
Tao anatin’ny aizimpito no nakarinao izahay
                        
Ianao ilay fahazavana,Ianao ilay famelana manala ny fangejana
Ianao ilay mpampahery,Ianao ilay tsy mijery izay mety ho ditranay


Ref: Noho ’lay ranao latsaka iny,dia niova ny fiainanay
Noho ilay fijalianao iny,dia afaka izahay
Efa vita ny famonjena,azonay ny fandresena
Efa lasa ny taloha,indro efa olombaovao aho


Maty Ianao,ho fanasitranana anay
Tsy navelanao ho fatin’ny aretina izahay
Maty Ianao,ho fampihavanana
Izahay ilay niala t@ RAY dia naverinao indray


Ianao ilay Ray Tsitoha,Ianao Mpamindra fo Ianao ilay Mpanome soa
Ianao ilay be fiantrana,mpanao fahagagana sy izay mety ho Fahatsarana


A/C: Carini,Tina(10/03/23)


·