I NENY MARIA - APKM (Re)

APKM (Antsa-Piderana Katedraly Mahajanga)

I NENY MARIA - APKM (Re)




  1. Vonin-draozy maniry eny an-tsaha
    Mahate-hamofona, mahate-hizaha!
    Ianao Maria ‘lay Reny tokan-tsy roa
    Kitapo nifonosan’I Jesoa
    Ny hanitrao mamerovero
    Ny fofonao manetoe(to)
    Feno fitia I Neny Maria
    Raha mba azoko natao ny niondana kely an-tratranao
    Mba hiantahanta amin’ny Renin’Andriamanitra
    Neny Maria ô! Mivavaha ho anay
    Mangataha amin’I Jesoa Zanakao: hotahiany izahay e!




  2. Tiako I Neny nahitako masoandro
    Tsy maintsy tsaroako isan’andro isan’andro e!
    Fa I Neny Maria Renin’I Jesoa
    Tiako dia tiako ihany koa
    Ny hanitrao mamerovero
    Ny fofonao manetoeto
    Feno fitia I Neny Maria
    Raha mba azoko natao ny niondana kely an-tratranao
    Mba hiantahanta amin’ilay Renin’Andriamanitra
    Neny Maria ô! Mivavaha ho anay
    Mangataha amin’I Jesoa Zanakao: hotahiany izahay e!




  3. Rotsirotsio aho Neny ô! Tambatambazo aho Neny ô!
    Trotroy aho ry Neny, babeo aho ry Neny
    Fa mila anao izaho zanakao
    Safosafoy aho Neny ô! Rotsirotsio aho Neny ô!
    Trotroy eo an-tratranao zahay
    Neny Maria ô! Mivavaha ho anay e!
    Omeo teny mamy aho Neny ô!
    Ankaherezo aho Neny ô!
    Ry Neny Maria ô! Efa lany ny divay
    Ry Neny Malala ô! Mivavaha ho anay!




·