Hosana
None
Hosana
Indreto izahay misaotra Anao
Mankalaza ny Anaranao;
Amin’ny fo, saina, Fanahy,
No entiko hanompoana Anao;
Masina ny Andriamanitray,
Mpamela heloka be hindra fo;
Ka mendrika ho deraina , tsy misy ny toa Anao,
Ref: (× 2) ka Hallelouia! Sy Hosana !
No entinay anio
Fiderana, fankalazana
Tena henika Anao izahay
Tsy ho aiko tantaraina fa maro sesehena,
Ireo fitahiana izay natosakao ho anay;
Fitiavana, tsy miovaova e!
No atolotrao ho anay ;
Masina Ianao ry Ray
Mpamela heloka be hindra fo;
Ka iriako ny ho toa Anao
Tsy misy ny toa Anao;
Ref: (× 2) ka Hallelouia! Sy Hosana !
No entinay anio
Fiderana, fankalazana
Tena henika Anao izahay