Hono ho'aho Jesoa

Antokom-pihira Vetson'i Siona

Hono ho’aho Jesoa


I. Hono ho’aho Jesoa
Tsy mba misy ve zioga
Maivamaivana kokoa
Hamaliako ny antsonao


Te hanaraka Anao aho
Saingy kely aina ihany e!


Raha azonao atao
Zioga maivana omena ahy
Te hanaraka Anao aho
Saingy tsy afaka manoatra


II. Amin’ny andro maha ory
Mila tsy ho zakako e
Ity hazofijaliana
Asainao hoziogaiko


Te hanaraka Anao aho
Saingy kely aina ihany e!


Raha sendra hakiviana
Eo an-tratranao foana aho
Te hanaraka Anao aho
Saingy tsy afaka manoatra


III. Ombieny ombieny
Toa mila ho fanina aho
Hareno aho Jesoa ô
Fa osa sy malemy


IV. Hamaivano aho
Ombay ny herinao
Eo anilako hatrany
No iangaviako Anao


© Vetson’i Siona


·