Homba anareo
STK Ny Roimemy FJKM Ankadikely
Homba anareo
Fitahiana tsy ho lany anie
Fahasoavana tsy hanam-petra koa
Ho anareo na kely na lehibe
Fitiavana tsy hanam-paharoa
Jehovah anie no hanamarina
Ny hevitrareo izay tsinontsinona
Ny fonareo hohamasinina
Homba anareo anie Jesoa
Handrotsaka ny fahasoavany
Tadidio, Izy rehefa tia
Dia tia mandrakizay doria doria
Ho henika ny fitahiany anie
Tsy ho diso anjara amin’ny famonjena
Ka na mpanota aza ianareo
Dia manatòna, Izy efa tia rahateo
Hanafaka sy hamela anareo
Raha miatrika ady sarotra
Hamakivaky onjan-drano be
Dia mitrakà, aza matahotra
Fa manana Mpiaro lehibe
Jehovah anie hiady ho anareo
Aleo hiseo izay fahoriana
Fa ianareo kosa hangina
Homba anareo anie Jesoa
Handrotsaka ny fahasoavany
Tadidio, Izy rehefa tia
Dia tia mandrakizay doria doria
Ho henika ny fitahiany anie
Tsy ho diso anjara amin’ny famonjena
Ka na mpanota aza ianareo
Dia manatòna, Izy efa tia rahateo
Hanafaka sy hamela anareo
Hanafaka sy hamela anareo