Homba anao

Hosana Ambohijatovo Fitiavana

Homba anao


1.Izaho no Tompo nifidy anao mba ho irako,
Mivonöna aza miahotra
Vavaka, finoana itafio, fitiavana
Andeha ka aza matahotra
Homba anao, homba anao aho
Ho hitanao ny voninahitro
Hiady ho anao, homba anao Aho


Fianarana efa voarainao
(Raiso ho fiadiana izany)
Fiaretana efa fantatrao
(Dia miara-manjaka Amiko ianao)
Fanahy mahery anatinao,
(Hampahafantatra anao ny atao)
Malala eo imasoko ianao, hasehoko anao fa:


Ref:
“Ny harem-pasoavako holovainao
Ary hosantarinao dieny ianao mbola ety
(Homba anao aho)
Fahavalo efa resy ny fahavalonao
(Izaho hiady ho anao)
Hiseho hifanesy ireo fitahiako anao
Ny fahamasinana, ny fahendrem-panahy
Hazony mafy aza ialana o o o
Andeha fa homba anao Aho”.


2.Satria izao no antony fisiako:
Dia ny handeha hilaza ny asa vitanao
Izay rehetra ao anatiko ao
Tsy avy aiza moa
Fa harena voaray taminao
Ampiasao, anarano fo
Fa Anao ry mpamonjiko
Lalan-tsara no hitako


Na dia misy fihafina aza
(Mahatsara, mahatamana)
Ny anaranao malaza
(Sy feno fahefana)
Ny voadiko tsy miova
(Ny fanekeko dia ny andeha)
He manantena lova ka mihira indray hoe:


Ny harem-pahasoavako.


·