Homba an-tsika ny fiadanana
Antsan'i Fenomanana
Homba an-tsika ny fiadanana
REF: Ka homba an-tsika ny fiadanana
Ny fiadanan’ny Tompo!
Ka hiara-tsambatra ao amin’ny zanak’ondry
Dia Ilay zanak’ondrin’ Andriamanitra
Nahoana no hifandrafy? (Fa nahoana re?)
Nahoana no hifampiolon’ olona? (Eny ho aho e!)
Mifandefera, ndeha re hiavana
Fa izay no didim-pitiavana
REF: Ka homba an-tsika ny fiadanana
Ny fiadanan’ny Tompo!
Ka hiara-tsambatra ao amin’ny zanak’ondry
Dia Ilay zanak’ondrin’ Andriamanitra
F’izay mitambatra ho vato (Koa Ndeha re)
Koa andeha hiara-dalana (Eny ho aho e!)
Hifandray tanana, hizara fitiavana
Dia ho sambatra ao amin’ny Kristy
REF: Ka homba an-tsika ny fiadanana
Ny fiadanan’ny Tompo!
Ka hiara-tsambatra ao amin’ny zanak’ondry
Dia Ilay zanak’ondrin’ Andriamanitra
KA HOMBA AN-TSIKA NY FIADANANA
Antsan’i Fenomanana
Août 2024