Holazaiko aiza

Ny Feo Mamatonalina

Holazaiko aiza


Holazaiko aiza izany jaliko
Misy ve ny tsara izay havaliko.
Iza no hetsetra itony tenako
Noverezin-toky izay nambenako.


Iza moa izaho no tsinjoviny
Moa ny fahotako tsy tsahiviny.
Fahavalo loatra efa rendrika
Fa tsy manan-daza mahamendrika.


Tanim-pahavalo izay alehako
Nefa Jesoa Tompo reherehako.
Hankalaza indrindra izany molotro
Be ny fiderana izay atolotro.


Isan’andininy:
Ny Mpanjaka lehibe
no nitsinjo sy namonjy fa fitia.
Ka ny ràny natete
solovoin’ireo mahantra fa nania.


·