HOENOINAO

Ny ANTSAN'NY FAMONJENA

HOENOINAO


Hivavaka aho anio, hifona hitalaho
Hamboraka ny teny, ny vetsovetsom-po hiloatra avy amin’ny molotro
Te hanatona anao aho, te hiankohoka aminao, te-hiresaka aminao
Moa ho mendrika anao, sy ny voninahitrao ireto teny izay atolotro
Ka hoenoinao aho


Mety ve ny teny maro, ireny ve no sitrakao
Sa ny indraim-bava monja dia efa ampy hilazana
Mety ve ny mitantara ny amiko izay efa fantatrao
Sy mitanisa ny andro lasako harafesim-pahotana
Mba hoenoinao aho


Mety ve ny mampatsiahy fa ianao nampanantena
Fahasoavana miavosa, toky sy fanantenana
Moa ve mety ny mandidy rehefa dodona ny tena
Sy mitanisa soratra masina vokatry ny fahalalana
Mba hoenoinao aho


Hivavaka aminao aho, hanatona anao aho
Hiresaka aminao aho, hiankohoka aminao aho
Izao teny ataoko izao,
Hoenoinao, hoenoinao, hoenoinao


Hivavaka aminao aho, hifona aho f’ efa diso,
Mangata-pamelana aho, mitady fiovana aho
Izao vavako izao
Hoenoinao, hoenoinao, hoenoinao


·