Hody indray
S.A.Am.Mi ( Sekoly Alahadin'Ambohimasina Mihira )
Hody indray
1- Sasa-niandry Ianao
Nefa izaho tsy niverina ,
Dia nitady ahy Ianao ,
Tsy namelanao aho raha tsy hitanao ;
Niantso ahy Ianao ,
Antso malefaky ny Fanahy ,
Dia namangy ahy Ianao ,
Hay ve Ianao kay tsy mahafoy ahy.
Refrain : Jesosy o! o! o!
Inty ny zandrinao
Manolo-tena ho Anao
Izao anio izao
Efa nanota aho
Ka mba mifona re
Raiso ny tanako fa HODY INDRAY aho
2- Nareninao aho ,
Izaho ilay trotraky ny dia ;
Nampitafianao
Ny tsara indrindra tao Aminao ;
Fa ny nahagaga ahy :
Hay ve ny toerako mbola tao ,
Saika hifona aho ,
Toa fety indray no nasetrinao.
Refrain : ( X2 )
A/C : Mami Daniel