Hody aho
Iray Fo Midera
Hody aho
Nivezivezy teny aho eh !
mba hitady izay mahasoa
fahoriana no hitako e ! fijaliana no niainanko e !
ka hody aho hody aho raiko ô
Ref: Hiverina aminao aho tompo ô
Raiso ka aza lavina
Hiverina aminao aho raiko ô
trotraky ny ota izay natao
Niseho nahavita tena aho eh !
ka niala taminao
nefa tsy lasa lavitra e ! tsy ela dia efa potraka e !
ka hody aho hody aho raiko ô
Niseho be fahalalàna aho eh !
ka tsy nihaino anao
nefa ankehitriny aho e ! dia latsain’ny nenina e !
ka hody aho hody aho raiko ô
Inty tamy aho raiko malala ô raiso ny tanako.