HOBIO SY DERAO
IRAFIA FJKM Ambohibao Antehiroka
HOBIO SY DERAO
1-Ry olona ô, ‘ndeha hifaly tokoa
Fa teraka anio Jesoa
Ilay famonjena ho ahy sy ho anao
Izao anio izao
Ka hobio sy derao
Fa io ‘lay Mpanjakanao
Ka deraiko ankalazaiko fa Mpamonjy lalaiko (x2)
2-Nanetry tena ‘lay Mpamonjinao
Tao an-tranon’omby ao
Nefa anie zanak’ilay Ray Tsitoha
‘Ty zaza tena soa
Ka hobio sy derao
Fa io ‘lay Mpanjakanao
Ka deraiko ankalazaiko fa Mpamonjy lalaiko (x2)
3-Aza variana fa dia mifalia
Ry mponina an-tany ety
Avotra ianao ka miravoravoa
Sokafy anio ny fo
Ka hobio sy derao
Fa io ‘lay Mpanjakanao
Ka deraiko ankalazaiko fa Mpamonjy lalaiko (x2)
(HIRA KRISMASY)