HOBIO DERAO

Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)

HOBIO DERAO


Hobio derao fa velona Jesosy
Hankalazao satria efa nandresy
Ny fasana aza tsy nahatana azy
Ka indro resy ny fahafatesana
Fa velona izy efa nitsangana


Derao derao derao Jesosy
Derao derao hankalazao
Hobio hobio f’efa nandresy
Ka indro resy ny fahafatesana
Fa velona izy efa nitsangana


O mifalia fa afaka isika
Satria ny famonjena efa vita
Jesosy Tompo nandresy ilay satana
Ka indro resy ny fahafatesana
Fa velona izy efa nitsangana


·