HO VERY IZAHAY MPANOTA (Do#)
Feon'ny fiderana
HO VERY IZAHAY MPANOTA (Do#)
Ho very izahay mpanota raha tsy eo Ianao
Ho faty ireo marary raha tsy eo Ianao
Ho kivy ireo mahantra raha tsy eo Ianao
Tsy hahiratra ny jamba raha tsy eo Ianao
Ianao ihany anie,no afaka mandre
Ny feo izay mitoreo miantso hoe vonjeo²
Ianao Mpamindra fo no hitarainako
Jereo ny olonao izay manantena anao
Ho very izahay mpanota……………………..
Mahery ireo rehetra ireo raha eo Ianao
Ho foana ny toreo raha eo Ianao
Ho voky na dia noana raha eo Ianao
Ny olana saika foana raha eo Ianao
Ianao ihany anie no afaka manome
Hery no ety ampy sy tsara ery
Tsy mba manavaka ireo izay mivavaka
Raisinao avokoa na ory na mafy loha
Mahery ireo rehetra ireo…………………