HO TRANON'OMBY VE
Ktlm Andrirahona Ambohibao Antampontanàna
HO TRANON’OMBY VE
Efa nomena anao ny Mesia
Hamonjy anao ho tia anao
Lapan’ny Rainy niaviany tarÿ
Nafoiny noho ianao
Refrain:
Moa ve mba nosaininao tao am-po
Ny nitiavany anao
Ho tranon’omby sy fahitra ve
No mendrika ny Tomponao
Jesoa fitiavana tonga ho anao
Hitondra anao ao tranon-dray
Ny fanjakany an -danitra arÿ
Tiany ho fonenanao
Ref:
Moa ve mba nosaininao tao am-po…..
Tsy ho voavidin’ny aiko tokoa
Zay nentinao hitiavana ahy
Fanetre-tena tsy takatro koa
No namonjenao ahy
Tsy ho tranon’omby na fahitra anie
Jesoa no hiandrasako Anao
Ny fo fanahy ny ao anatiko ao
No hiandry ny fiavinao