‘Ho toy ny Renirano ny Fiadananao’

Tvbroadcasting

‘Ho toy ny Renirano ny Fiadananao’


1.Tsy mora ny manjo, mampitomany.


Raha hoe tsy hanahy, toa sarotra izany;


Tebiteby foana vao mifoha.


Fa mivavaha, atrakao ny loha.


(FIVERENANA)


Fa ho toy ny renirano


Ny fiadanan-tsainao,


Hamelombelona aina


Toy ny andon’ny maraina, ka tsy hanahy intsony.


Ianao ’nie tsy mba hafoiny, hampiany mba ho tony.


2.Resaho ’zay ao am-ponao rehetra.


Jehovah mihaino foana, tsy mba misy fetra.


Dia izy hiambina ny fo sy saina,


Fa tiany ianao, karakarainy.


(FIVERENANA)


Fa ho toy ny renirano


Ny fiadanan-tsainao,


Hamelombelona aina


Toy ny andon’ny maraina, ka tsy hanahy intsony.


Ianao ’nie tsy mba hafoiny, hampiany mba ho tony.


(FIVERENANA)


Dia ho toy ny renirano


Ny fiadanan-tsainao,


Hamelombelona aina


Toy ny andon’ny maraina, ka tsy hanahy intsony.


Ianao ’nie tsy mba hafoiny, hampiany mba ho tony.


Aprily 2024


·