HO TARATR'I MARIA
Chorale Taratr'i Maria
HO TARATR’I MARIA
1-N’inona inona sedraina ety
Ny voadiko tsy miova
Ho mpanompo sy ho mpanara-dia
Raha mbola velon’aina koa
Andriananahary
Hankalaza Anao
Isan’andro aho
Sy hidera ny Anaranao
Mandrakizay mandrakizay, doria .
Mandrakizay, mandrakizay, ho Taratr ‘i Maria
2-Hohiraiko lalandava
Ry Tompo ny fahamarinanao
Hotoriko n’aiza n’aiza
Fa Ray be indrafo Hianao
3- Maria o, matoky Anao ‘zahay
Reny mitrotro am-bavaka
Tantano tsy ho solafaka
Fa malama anie ny lalana