HO TANAKO NY VOADY

AMPIZIFA

HO TANAKO NY VOADY

Eny ho tànako ny voadiko Jesoa
Ny tsy hiverin-dàlana amin’ireo fahotako
Ny hangatahiko, ny tsy hamoizanao ahy
Aza lavinao aho Jesoa fa mba tàno ho Anao

Jesosy ô! Atokako ho Anao ny amiko manontolo, atokako ho Anao
Fa ampy ahy izay Jesoa, tsy hamerina intsony aho fa fay
Ny Anaranao no hasandratro ambony ho Mpanjakan’ny foko
Tàno aho ho Anao fa ho tànako ny voady taminao

Soa fa mbola teo ny Herin’ny Fanahinao
‘Zay mibitsika tam-poko, namerina ahy ho ao Aminao
Tsy navelanao, fa notaominao indray
Hiala amin’ny maizina ho any amin’ny mazava

Jesosy ô! Atokako ho Anao ny amiko manontolo, atokako ho Anao
Fa ampy ahy izay Jesoa, tsy hamerina intsony aho fa fay
Ny Anaranao no hasandratro ambony ho Mpanjakan’ny foko
Tàno aho ho Anao fa ho tànako ny voady taminao

Jesosy ô! Atokako ho Anao ny amiko manontolo, atokako ho Anao
Fa ampy ahy izay Jesoa, tsy hamerina intsony aho fa fay
Ny Anaranao no hasandratro ambony ho Mpanjakan’ny foko
Tàno aho ho Anao, izay no voadiko
Tàno aho ho Anao, izay no voadiko
Izay no voadiko, Izay no voadiko
Izay no voadiko, Izay no voadiko

AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)

·