Ho soa hatrany

AmbondronA

Ho soa hatrany


Ho singaniko ny androany
hivetsoko ireo mamy
izay avy ato ampo ho firarintsoa
tsy nokajikajiana zaraiko ampifaliana
ary ataoko ankira
ho anao ilay mamin ny fo
ilay mendrika tokoa


ireo taona lasa ireo leson ny omaly
ireo sedra hatrizay
no hanefy indray ny ao ampo ao ho ainga vao


mirary anao ho soa ny anio
isaory ifalio
ho salama hatrany hiriaria
ho tiana ary hitia
fanirina tsara rehetra ho to
ho tahin ilay nahary
mba ho soa hatrany hatrany


ny andronao androany ,
fa ny fitahiana tsy ho lany
dia tsy ny anio ihany ny ampitso koa toy izany
ho lavitra hakiviana , ho tojo izay irina


ireo taona lasa ireo leson ny omaly
ireo sedra hatrizay
no hanefy indray ny ao ampo ao ho ainga vao


mirary anao ho soa ny anio
isaory ifalio
ho salama hatrany hiriaria
ho tiana ary hitia
fanirina tsara rehetra ho to
ho tahin ilay nahary
mba ho soa hatrany hatrany


·