HO RAVA IHANY

Laurent RAKOTOMAMONJY

HO RAVA IHANY


HO RAVA IHANY


Ho rava ihany ny andronao satria
N’iza n’iza rehefa tapitr’aina
Tsarov fa tsy maintsy miala ety
Na dia tiana sy lalaina
Ka homano dieny izao ny dia
F’aza mandriandry foana ianao e!
Tsy maintsy ilaozana ity tany ity
Ka ifikiro ny Andriamanitrao.


Ny veloma tsy maintsy atao
F’ilaozantsika izao tany izao
Ny nofo hiverina ho tany
Fa ilay fanahintsika ihany no mbola hiriaria
Ka very izany ve no mety ho ny fanahinao
Mety ho vonjen’ilay Jesoa tia


Fa ny Rainao no mandahatra
Ny andro iainanao ety antany
Meteza ianao ho resy lahatra
Fa ahasoa anao izany
Any misy lanitra iray
Ffa voaomany ho antsika
Ka rehefa miala ety de any indray
No toerana honenantsika


Efa voavoatra tokoa
Ilay paradisa soa
K’izay rehetra nanantena
Niandry tamim-pahendrena
No afaka ahita izany
K’izay naharitra tokoa
Ny fampankaranan-kimpo
Tamin’ny ray no hiditra any


oouuhhh…….
oouuhhh…….
oouuhhh…….
oouuhhh…….


Aoka izay ny tomany


Groupe Laurent RAKOTOMAMONJY


·