Ho raisiko
Njaka Fitia
Ho raisiko
*Inty aho Jesôsy ô, miantsampy aminao.
Am-pototrin’ny hazo fijalianao, no hiankohofako o!
Ny rà izay nalatsakao Tompo ô, dia tsy ho raraka an-tany.
Fa ho raisiko hikorina ato am-poko, hanadio ahy. (X2)
Ref:
*Ho raisiko ny rà izay nalatsakao, hanadio ahy.
Fa te handova ilay Jerosalema vaovao aho, hahita anao. (X2)
….
Ny Fo vato tsy mety mibebaka Tompo ô, mba torotoroy.
Mba hangorankoraka miantsampy, amin’ny lalivoanao.
Ka hodiovin’ny rà izay nalatsakao, ho fotsy hanjompika.
Ka ho voalahatra, handova ny fiainana mandrakizay.
Ref:
*Ho raisiko ny rà izay nalatsakao, hanadio ahy.
Fa te handova ilay Jerosalema vaovao aho, hahita anao. (X3)