HO MPIASANAO(GTF)

Feon'ny fiderana

HO MPIASANAO(GTF)


Be ny vokatra ry Ray eto an-tanimbolinao
Fa ny mpiasa no vitsy ka manolotena aho
Na tsy mendrika aza re,raiso ho mpiasanao
Fa tena vonona aho handeha hanao ny asanao
  
  Ref: Inty aho ry Tompo ô!
               Eny vonona aho hanompo
               N’aiza n’aiza no haleha iraho aho fa handeha
              Inty aho ry Tompo ô!
              Eny vonona aho hanompo
              Ho mpiasanao hatrany mandra-pialako eto an-tany


Raha izaho irery Tompo tsy mahefa noho ianao
Raha oharina aminao ny heriko dia tsinotsinona
Ka ny angatahako anio mba omeo ny herinao
Tolory koa fo madio hiantrako ny ondrinao


·