Ho lehibe

GAFLI

Ho lehibe





Fifaliana tena avy ao am-po
No entiko midera Anao
Fa ny fahasoavanao tokoa
No nandray ahy toy izao
Resy lahatry ny teninao
Sy ny herin’ny Fanahy
Indro tonga olom-baovao
Ianao Ray namonjy ahy





Ô! Ry mpino tsy hankanavaka
Ny olombelona malemy
Fa raha toa mifampivavaka
Dia Jesoa hanafy hery
Fisedrana dia ho betsaka
Raha mbola eto an-tany
Isika miorina tsy ho reraka
Fa handroso hatrany hatrany


Ref:
Ny tanjona iriko ho tratrarina
Dia ny ho lehibe
Amin’ny finoana sy ny asa marina
Dia vonona handeha
Hampandroso ny fiangonana
Izay tenan’i Kristy
Fanorenana hiombonana
Sady mampifankatia


·