HO LASA OLOM-BAOVAO

RANTSANA FANANTENANA BEMASOANDRO ITAOSY

HO LASA OLOM-BAOVAO



  1. Tandremo ny fahazaran-dratsy
    Tandremo fa tena mahafaty
    Ny toaka, rongony sy sigara
    ialao, ialao fa tsy tsara
    Izay mikasika azy tsy hamelàny
    Any an-kady any no hiafarany
    Dia ho very avokoa, ilay galona soa
    ‘zay nomen’ilay Tompo Tsitoha


REF:
Fa ny tenantsika no tempoly
Ho potipotehan’ny devoly
Tsarovy, tsarovy ry bôgôsy
Malahelo anao anie Jesôsy
Fa ny botakely sy ny sisa
Tsy hahazoanao ny paradisa
‘reo ‘zay mankafy setroka kely
Ho jinjain’ny afobe dia very



  1. Anio ny Tompo miantso antsika
    Nataony ho anao ny paradisa
    Atolory azy ny fonao
    Fa ho lasa olom-baovao
    Ka hitovy endrika sy bika
    amin’ilay Ray nahary antsika
    Ho lasa avokoa, ‘reo toetra taloha
    Voninahitra an-tampon’ny loha


REF x 2:
Fa ny tenantsika no tempoly
Ho potipotehan’ny devoly
Tsarovy, tsarovy ry bôgôsy
Malahelo anao anie Jesôsy
Fa ny botakely sy ny sisa
Tsy hahazoanao ny paradisa
‘reo ‘zay mankafy setroka kely
Ho jinjain’ny afobe dia very


A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO


·