Ho Iray

Johane

Ho Iray



  1. Anio ’lay andro
    Voatokana ho ahy sy ho anao
    Ka holazaiko
    Eto anatrehan’izao rehetra izao


Raha ny ato am-poko
Mbola tsy niova hatramzao
Vao me nitombo
Ilay fitiavako anao


Haveriko ho renao
Fa tena tiako ianao


Ref: Manomboka androany akia
Fiainana vaovao no miandry antsika
Vita tso-drano ilay fitia
Nampiray antsika anio


Ary ho mandramaty
‘Lay voady nifanaovantsika
Fo mitambatra ho iray
Ho doria mandrakizay



  1. Na maro aza ireo
    Mpanenjika antsika e
    Aleo izy indray no ho leo
    Fa tsika tsy maintsy ho tafita e


‘Zaho tokinao ianao koa no andry hiankinako
‘Zaho sy ianao miaraka tsy mifankafoy
Na tsiky na tomany
Raha ny hisaraka dia sanatria ny amzany


Haveriko ho renao
Fa tena tiako ianao


Ref: Manomboka androany akia

Fo mitambatra ho iray
Ho doria mandrakizay
….
Manomboka androany akie
Fiainana vaovao no miandry antsika
Vita tso-drano ilay fitia
Nampiray antsika anio
Ary ho mandramaty
‘Lay voady nifanaovantsika
Fo mitambatra ho iray
Ho doria mandrakizay


·