Ho irakao

Akon'ny Lanitra Ambohidratrimo

Ho irakao


Efa enonay ny antsonao ry Ray
Koa mijoro anio ireto olonao
Na dia sarotra ny asa miandry anay
Dia manolo tena izahay ho Anao


Refrain:
Izahay Akon’ny Lanitra dia hitory ny hafatrao
Ho mpanomponao Andriamanitra izahay tanoranao
Ka tsy ny feonay no ho re fa ny lanitra no hanako
Hampiasao ho irakao ny Akon’ny Lanitra


Andriamanitra o arotsahy Ilay Fanahy
Mba ahafahanay mamita ny asanao
Dia omeo hery izahay mba ho sahy
Ka hitaona ny hafa hiverina Aminao


A/C: Rizia Rbrl


·