ho doria , andao hiara-dia

t-vibe

ho doria , andao hiara-dia


tsy maintsy hifarana
eny , ny hatanoràna
izao rehetra izao
na Izaho na ianao
dia mbola hody ho vovoka
voninkazo mamiratra
milokoloko miramirana
tsy maintsy ho lò
tsy hanam-pahatezàna
fa tsy maintsy ho levona


ref :
andao hiara-dia,
andao hifankatia
hifandrafy : sanatria
fitiavana ho horia


eny ireo halahelonao
eny ranomaso nalatsakao
hadinoy , mitràka
fa tsy mendrika ny ora ,
ny andro tokony hiainanao
mba jereo izay mahasoa
sy izay rehetra mety hahasambatra
ihany koa
tsy hateza lavitra aiza
eny izaho , eny na ianao.
ref:
andao hiara-dia…


·