Ho avy tokoa
KTLM Tsanta Fitoriana Ambohimena
Ho avy tokoa
Efa notoriana taminao
Famonjena vitan’ny Jeso Kristy
Tsy nahoanao, tsy noraisinao
Teny soa famonjena anao
Miantso anao ry mpiodina o
lay Tompo tia miantso hoe avia
lay Tompo soa sy be indra fo
tsy mahafoy anao
Tsy nafoiny ianao ry mpiodina o
Fa namoy ny ainy ho anao Kristy
Hanadinana ahy, handatsana anao
Tadidio ny andro anio izao
Ho avy tokoa Tompo Jeso
Amin’ny andro izay tsy fantatrao
Fo sy fanahy no hitsarana ahy
Amin’ny andro farany