Ho an'ny fahafahana

NV

Ho an’ny fahafahana


Ndao hihetsika indray ary
Hiara-hanandrampeo
Sikino ny fanantenana


Joro eto isika izao
Hanambatra hery tsy ho vaky
Hisedra fa manana adidy
Amin’ity tany ity


Ny gejan’izay lasa izay
Dory! Dory! Ho rendrika any
Fanantenana fihino
Tafita ny dia


Refrain :
Ho an’ny fahafahana
Ho an’ny tanindrazana
Ho an’ny fahafahana
Ho an’ny taninjanaka


Vonona ny hiroso hatrany
Ninoninona hidona
Domy ho fay izay lo tsinay
Dia totao amin’ny vy!


Gejan’izay lasa izay
Dory! Dory! Ho rendrika any
Fanantenana fihino
Tafita ny dia


Refrain :
Ho an’ny fahafahana
Ho an’ny tanindrazana
Ho an’ny fahafahana
Ho an’ny taninjanaka


Domy ho fay izay lo tsinay e
Eo tsimpony tsirairay
Izay namorika hatrizay
Dory dory dory ho fay


Ho an’ny fahafahana
Ataovy ampitiavana


·