Ho an'i Neny

Rbrl

Ho an’i Neny


Moa misy manana fitia mihoatra noho ianao?
Raha fandeferana tsy misy azo ampitahaina
Olona iray tsy manam-paharoa
Tsy iza izany fa ianao dia ianao ry neniko


Ry Neny o tianay loatra ianao
Indro vavaka no hasandratray ho anao
Dia ny ho lava andro hiainana
Ny fiainanao ho feno fitahiana


Ry Andriamanitra o mba henoy ny vavaka
Avy ao am-ponay ho an’ity reny malalanay
Ny fahasoavanao no hirotsaka aminy
Fifaliana anie no hameno ny fiainany


A/C: Fitiavana Rbrl


·