Ho an'i dada sy neny

Mbola Talenta

Ho an’i dada sy neny


Raha misy fitiavana ambony indrindra o!
Dia ny fitiavan’i dada sy neny
Fitia tsy atakalo sy tsy hay afindra o!
Fa mitoetra ao am-po ao ombieny ombieny
Izy ireny no nahitana masoandro
Loharanon’ny fiainana sy ny fisiana
Nitaiza naha-olona sy nitandro
Nihantahantana sy nitosiana


Réf :
O! ry dada malala o! , O! ry neny tsy mba foiko
Ianareo tsy manan-tsahala fa mitoetra ato am-poko
Ny andon’ny lanitra sy ny tsiron’ny tany
Homba anareo mivady hatrany hatrany


Izao hira izao indro atolotray
Mba ho valin’ny vitanareo hatrizay
Ka ny faniriana miloatra ao am-po
Ho ela velona anie ianareo roa


·