HO ANAO IZAY VOAFIDY

Afif (Anjomara Fifohazana Andohatapenaka)

HO ANAO IZAY VOAFIDY


Ho anao izay voafidy
Voafidy ho mpanompo
Tsarovy re ny didy
Napetraky ny Tompo
Mifankatiava tsara
Hazony ny finoana
Hefao ireo anjara
Ireo anjara fanompoana


REF
Andao iaradia
Andao ifankatia
Tandremo mifandrafy
Na koa mifanaratsy
Raha vonona hanompo
Dia manompoà tsara
Raha tsy vonona ny hanompo
Dia…
Mipetrà tsara


Ny asa atao rehetra
Ataovy ampifaliana
Satria ny tarigetra
Dia ny firaisankina
Ny fiaraha miasa
Hazony tsy hiala
Fa ny akotrizay
hasaratsy ny satana


·